Literiatiora : Ndeha hamaky tononkalon’i Andriniela

Comme d’habitude, le vendredi est le rendez-vous des amoureux de la littérature malgache sur Buskers Magazine. Pour aujourd’hui,  accordons-nous un moment de réflexion avec ce Tononkalo du poète Andriniela…  Bonne lecture !

Te hamoron-kira aho… nefa aleoko ihany miandry
F’ireny hirahira ireny saro-pady sady masina
Ka angamba tsy ho mendrika ny fanahiko mbola mandry
Ndrao hisandratra ny anio fa rahampitso hitsinkasina
F’ireny hirahira ireny, tsy filàna voa tsy ary
Fa mioty anao mangina tsy mila hoe terena akory
F’ireny hirahira ireny dia notefena ho lavorary
Ka raha miantso anao, valio, dia ny lalany no izory

F’ireny hirahira ireny, tsy mba ako an-tsofina ihany
Ka handalo tsy ho re raha manalavitra ny taona
F’ireny hirahira ireny, raha mitondra anao mankany
Dia ho nofy amboloina ary mitoetra antaranoana

Ka raha nofo fotsiny ihany na filàny te handalo
Na aza aho te hihira… dia aleoko ihany miandry
Fa ny tena tononkira, fa ny tena tononkalo
D’ilay mamoha anao mangina raha ny rehetra efa tafandry!

Andriniela.

11870921_1627720957499148_7250997640860722005_n
Ny Andriniela
Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s