Literatiora : « Nofy tsy sandaina », hoy ilay Labozia Tokana Mirehitra

Vetivety !  Vetivety dia tamy ito ny andro Zoma, ambohipihaonan’ny mpankafy ny literatiora Malagasy eto amin’ny Buskers Magazine Madagascar. Anio, indro aroso ho anao, mpamaky hajaina, ilay asa soratr’i Ralf Arivelo : « Nofy tsy sandaina ». Bonne lecture !

Nofy tsy sandaina

Afokasik’iray an-tanany…
masoandro nofisiny!
Biriky fito sy enina voatahiry hatry ny ela…
Zary revin-gadra, ilay lapa hoan’ny tiany!
Midadasika tokoa ny velaran-driakan’eritreriny
Mandrendrika mazàna ny nofo, fahatsapany
Tandindonin-davan’ny tsikim-pahasambarana…
Mihisatra dia mihisatra ny dia-pisiany
mivoretaky ny vesa-panantenany!
Mifotetaky ny hadirim-piniavany!


Voky nofy, tsy velom-batana!
Vory nofo tsy hary saina…
Zary olona, zary fanahy!
Zary miaina, zary misy!
Remby anaty nofy tsy hary tongotra…
revirevy tsy an-dasitra!
Sento lava tsy misy varany…
Hanohanon-tsasakalina
Tanondri-doha am-pifohazana!
Tolefi-tsandry am-pandriana…
Afendron-drikorikom-piarahamonina!
Aizinin’ny hena-pivelomana!

Lefin’ny nofy ny nofo
Lefin’ny nofo ny nofy
Lefin’ny nofy ny nofo
Lefin’ny nofo ny nofy
Lefin’ny nofy ny nofo
Lefin’ny nofo ny nofy
Lefin’ny nofy ny nofo
Lefin’ny nofo ny nofy
Lefin’ny nofy ny nofo
Lefin’ny nofo ny nofy
Lefin’ny nofy ny nofo
Lefin’ny nofo ny nofy

Ralf Arivelo A/ala 16 janvier 2010

ralf
Labozia tokana mirehitra…
Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s